Azo lazaina ho tsara fitontona indrindra tamin’ny fotoana nanambarana ofisialy fa hilatsaka ho filoham-pirenena rehetra efa nandalo hatreto ny an’i Dama ao amin’ny tarika Mahaleo natao tetsy amin’ny tokotaniben’ny Esca Antanimena ny sabotsy teo. 2 andro taorian’ny namoahana ny datim-pifidianana ofisialy teny Mahazoarivo.
Tena mety amiko io datim-pifidianana manomboka amin’ny 7 novambra io, hoy i Dama na Zafimahaleo Rasolofondraosolo. Aoka izay ny fanaovana tohatra fiakarana ny vahoaka. Mila atsahatra amin’izay ny hantsana be loatra eo amin’ny mpitondra sy ny entina mba tsy hiheveran’ireo mpitondra ho manam-pahefana, hany, ka zary mahatsapa tena ho iharam-pahefana fotsiny ny vahoaka. Aoka tsy hatao ho toy ny fary intsony i Madagasikara ka ny lohany indray no matsatso. Ovaintsika ho toy ny akondro, hoy hatrany izy, ny fitantanana ity firenena ity mba hifanohitra amin’ny fary ka hamoa be ho an’ny firenena isika rehetra ho valimbabena ho azy. Tsy nisy izay nahita soa teto isika, araka ilay hiran’ny tarika Mahaleo hoe “Ilay nosy nanabe, nibaby, nandrotsirotsy.” Haverintsika ny fahefam-pokonolona na dia nalaza ho antony namonoana an-dRatsimandrava aza. Tsy hatahotra aho satria mino fa tsy hiady irery fa hiaro ahy ianareo araka ilay hoe tsy adidiko izao samy irery fa adidiko izao sy ianao. Ny famerenana amin’ny laoniny ny fitantanana ny ranomasintsika, ny tany sy ny zava-boary ao aminy, ny ranomamy ary ny fanabeazana ny olombelona hiverina hahay hifamelona moa, raha fintinina, no vinan’asan’ity kandida ity, raha ny nambarany. Manambatra ireo rehetra ireo kosa anefa, hoy izy, ny fanaovana vaindohan-draharaha ny resaka angovo sy ny famerenana ny hasin’ny fokonolona izay tsy misy manana afa-tsy isika ary taninketsan’ny demokrasia eto Madagasikara.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.