Politique

Dada tany Morondava Notapahana ny jiro rehefa hikabary izy


  • Alatsinainy 20 Jolay 2015

Nitohy tao Morondava sy Toliara, ny sabotsy teo ny fanentanana ny mpifidy nataon’ny filoha Marc Ravalomanana hifidy ny kandidan’ny antokony Tiako i Madagasikara (TIM) hanombohana ny asa fampandrosoana eny Ifotony.

 


Fihaonana voalohany tamin’ny vahoaka tamin’ireo toerana ireo indray ny tamin’io andro io, taorian’ireny raharaha 2009 ireny. Fifankahitan’ny tia sy ny manina ny azy sy ny vahoaka izay nirohotra nitsena azy, satria efa ela niandrasana sady miandrandra ny hitohizan’ny fampandrosoana efa nataony. Misy ny tsy mahazaka izay ka dia manao fingampingana. Tao Morondava izao dia notapahana an-kitsirano ny jiro rehefa tonga ny fotoana handraisan’i Marc Ravalomanana fitenenana nanoloana ny vahoaka vory maro hifampitafa taminy teo akaikin’ny FJKM Mahagaga. Efa niomana tamin’ny gropy anefa ny Tiako I Madagasikara ao an-toerana ka afaka nitohy ny fandraisam-pitenenana. Tamin’izay no nilazany mazava fa tokana ny kandidan’ny TIM ao Morondava dia i Christian Hanjovako. Nanome toromarika ny mpifidy i Marc Ravalomanana mba tsy hiroaroa saina manoloana ny resaka inian’ny sasany aely ao an-toerana fa samy manana kandida ao i Dada sy Neny. Fandaharan’asany kandida Christian Hanjovako ao Morondava ny hanitatra ny tanàna, ny hanorina tsena mifanaraka amin’ny filan’i Morondava amin’ny maha renivohi-paritra sy tanànan’ny fizahantany azy, ny fifehezana ny rano sy ny fanadiovana hisorohana ny tondradrano lava ary ny fampiasana ny informatika amin’ny fanatsarana ny fitantanana sy fanafainganana ny asa ao amin’ny Kaominina. Taorian’izay dia niazo an’i Toliara ny delegasiona nahitana an’i Guy Rivo Randrianarisoa, Mamy Rakotoarivelo, Razoarimihaja Solofonantenaina, Naika Eliane ary Manoela Ralaimampisainarinony, nanolotra ny kandidan’ny TIM ao an-toerana sy nanentana ny mpifidy hametraka fitokisana aminy, hiaingan’ny fampandrosoana tsara fototra.

Jean D.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT