Politique

Dada tany Mahajanga Atsangana indray ny Magro


  • Alarobia 15 Jolay 2015

6 taona aty aoriana dia nifanatri-tava mivantana tamin’ny mponin’i Mahajanga tao amin’ny kianjan’ny Fitiavana Magro indray Atoa Marc Ravalomanana.

 

 

 Tomefy olona avokoa ny toerana rehetra nolavonany. Nambaran’i Dada fa ho jerena ny fanarenena ny Magro ao Mahajanga izay tsy hita intsony ny hamantarana azy taorian’ny korontana niseho ireny. Nilaza ny filoha fa ao anatin’ny fotoana fohy ihany no hamerenana ny Magro. Mila fasahiana anefa ny fananganana azy io sy ny fampandrosoana ny firenena satria dia latsaka ao anatin’ny fasahiranana tanteraka ny vahoaka Malagasy hoy hatrany izy. Miantso ny vahoaka rehetra izy hifanome tanana miaraka aminy hanangana miaraka firenena vaovao; avy amin’ny vahoaka mantsy ny fahefana hahafahana manatanteraka azy io ka izay no antony tsy maintsy iarahana miasa miaraka,hoy izy. Nandritra ny famaranana ny kongresim-paritry ny antoko TIM tao Mahajanga io dia nampafantarin’i Marc Ravalomanana ireo kandida ben’ny tanàna ny Tim ao amin’ny faritra Boeny ary ireo mpikambana rezionaly. Naharitra ora maro ny fihaonan’i Dada sy ny vahoakan’i Mahajanga ka ny masoandro nody no nampalahelo. Fohy loatra ny fotoana nihaonanay taminy hoy ireo ireo olona tonga tao amin’ny Magro ka manantena izahay fa mbola hisy ny fotoana hifankahitana indray.

 


Tolin

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT