Tsy naharitra fa tonga nanohana an’i Lalatiana Rakotondrazafy teny amin’ny Coliseum Antsonjombe i Andry Rajoelina omaly nandritra ny fampielezan-kevitra nataony. Nanana kandida tampoka indray izany ny MAPAR an-dRajoelina.
Ka inona no tena marina, nampiesonina fotsiny ve i Saraha Georget Rabeharisoa ilay nambara fa tokony ho kandidan’ny ARMADA (Alliance Républicaine de Madagascar) izay mpikambana feno ao ny MAPAR, teto Antananarivo renivohitra tamin’io fifidianana Ben’ny tanàna saingy tara «départ» noho ny fahafenoan’ny antontan-taratasin’ireo mpanolotsaina tokony hiray lisitra aminy. Fanehoana tsy fahafaliana koa ve no tsy nahitana ny filohan’ny Maitso sy ireo lohandohany ao amin’ny ARMDA teny Antsonjombe omaly ? Etsy ankilany, maro amin’ireo mpiara-dia amin’i Lalatiana Rakotondrazafy koa no tsy faly tamin’ny nijoroan’i Andry Rajoelina teo anilany, izay tondroin’izy ireo ho mijapy soavaly, ary ao ireo mahatsiaro voafitaka satria tsy noho i Andry Rajoelina mihitsy, hoy izy ireo, no nanohanan’izy ireo amin’ity kandida ity, ka maro no kivy sy milaza ny tsy hifidy indray. Tena fanohanana an’i Lalatiana Rakotondrazafy tokoa ve no nahatongavan-dRajoelina teny Antsonjombe omaly sa entin’ny tahotra fotsiny sao tafita tsy nahy eo ity kandida ity, ka halaim-panahy hirotsaka hofidiana filoham-pirenena ihany koa amin’ny 2018 rehefa mahazohazo tsirony eo, ka hanjary adversera hanaparitaka ny vatony eo ? Raha ny lojikan’ny nitsipahan’i Hery Rajaonarimampianina am-bavafo azy tamin’ny 2013 mantsy, nefa kandida notohanany tamin’ny fifidianana filoham-pirenena, miampy ny disadisa efa vaky ambatolampy teo aminy sy Lalatiana Rakotondrazafy tamin’ny tetezamita dia tsy lojika ny hanohan’i Andry Rajoelina an’ity kandida ity, na teo aza ny fifanomezan-tokin’izy ireo omaly.
Ra-Bri
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.