Ny taona 2002 nisian’ny disadisa politika vokatry ny fifidianana filoham-pirenena no nahenoana voalohany ny resaka fampihavanam-pirenena novoizin’ny profesora Zafy Albert.
Nipoitra indray izy io ny taona 2009 rehefa nitranga ny fanonganam-panjakana teto Madagasikara. Natsangana rahateo ilay Filankevitry ny Fampihavanam-pirenena Malagasy ny taona 2011 izay nahazo fanohanana ara-bola avy amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Tsy nisy anefa ny vokatra azo tsapain-tanana fa fotoana very maina niaraka tamin’ny fandaniam-bola fotsiny no setrin’ny fanendrena ireo mpikambana ao amin’izany rafitra izany. Tsapa ho nitombo kokoa aza ny hantsana mampisara-bazana ny fiarahamonina Malagasy noho ny tsy fandraisana andraikitra hentitra avy amin’ireo olobe sy ray aman-dreny mandrafitra ny FFM. Niantsoroka ny adidiny indray ireo filoham-piangonana ao amin’ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara saingy toa nangina tsy nisy tohiny ny asa fampihavanana nataon’izy ireo. Tapa-kevitra ny hanangana ny komity nasionaly hisahana ny fampihavanana na CNR indray ny mpitondra fanjakana ankehitriny. Fanontaniana avy hatrany no eny ambavan’ny olona ny amin’ny fahefana hananany hahatontosa ny tena fampihavanana ny Malagasy.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.