Politique

Christine Razanamahasoa Vonona hiresaka amin’ireo sendika


  • Sabotsy 16 Jona 2018

Nitondra fanazavana amin`ny laharampahamehana amin`izao governemanta vaovao izao ny depiote Christine Razanamahasoa, voatendry ho minisitry ny fananjariana ny tany sy ny raharahan-tany.

 

 Nambarany fa ny fanatontosana izao famindram-pahefana izao dia avy amin`ny fanatanterahana ny didim-pitsarana navoakan`ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, lah. 18-25/05, ka nahatonga ny praiminisitry ny marimaritra iraisana.  Governemanta hatao hitantana sy hiara-dia amin`ireo andrim-panjakana hafa indrindra amin`ny fanomanana ny fifidianana izay hotontosaina amin`ity taona ity no mijoro, hoy hatrany ny fanazavana. Mahakasika ny laharampahamehana dia hiara-kiasa amin`ny sendika sy ireo teknisianina akaiky ity minisitra vaovao ity mba hahafahana mamaritra faran’izay haingana ireo  olana ara-teknika sy ny mety ho vahaolana amin’izany. Nohamafisiny ihany koa fa raha mbola misy ny lalàna mahafehy ny fananan-tany dia tsy maintsy arahina sy hajaina izany. Mahakasika ny lalàna mifehy ny faritra ara-toekarena manokana (ZES) dia hisy fepetra horaisina hampiatoana ny fanatanterahana izany lalàna izany. Notsindriany fatratra fa nanao zavatra tsy ara-dalàna ny fitondrana ary efa tsy laninay nefa natao izay nandanina azy.  Antenaina fa hisy tokoa ny fanovana amin`ny fitantanan-draharaha eo anivon`ity minisitera ity miandraikitra ny resaka fananan-tany,  izay marihana hatrany fa anisan`ny olana eto Madagasikara.

Famatsiam-bola

Vola mitentina 1 miliara sy 300 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola nomen`ny mpamatsy vola toy ny banky iraisam-irenena, AFD, ny banky eoropeanina misahana ny fampandrosoana… ho an`ny minisitera eo anivon'ny fiadidiana ny repoblika misahana ny tetikasan'ny filoham-pirenena, ny fanajariana ny tany ary ny fampitaovana (M2PATE). Nandritra ny lahatenin`ny minisitra teo aloha, Benjamina Ramarcel Ramanantsoa, afaka enim-bolana dia tokony ho hita ny vokatra tamin`ny asa vita avy amin`ireo famatsiam-bola ny vahoaka Malagasy. Nisy tamin`ny rafitr`ity minisitera ity no nafindra ao anatin`ny minisiteran`ny asa vaventy. Omaly no natao ny fifamindram-pahefana teo amin`ny minisitra M2PATE teo aloha, Benjamina Marcel Ramanantsoa sy ny vaovao, Christine Razanamahasoa ary niaraka tamin`ny minisitry ny asa vaventy, Ulrich Andriatiana satria nisy ny fandaminana eo anivon`ny minisitera.


Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT