Ifandroritana ny voka-pifidianana Ben’ny tanàna natao tamin’ny 31 jolay 2015 ao Fianarantsoa I. Samy milaza ho mpandresy tamin’ny fitambaran’ny vato avy amin’ireo birao fandatsaham-bato 95 ary samy
nisaotra ireo vahoaka nametraka fitokisana taminy avy na ny kandidan’ny HVM Harilalaina Irma Juliandre na ny kandidan’ny Mapar, Razanamahasoa Christine. Niantso ny mpifidy azy hiaro ny safidiny ity farany omaly. Taorian’ny nivoahan’ny didy omaly, ka nanamelohan’ny Fitsarana azy higadra herintaona an-tranomaizina sazy mihatra, dia nitaona olona teo amin’ny Kianjan’ny demokrasia ao Ampasambazaha ihany koa ny kandidan’ny Tambatra, Pety Rakotoniaina, nilaza fa hijoro hanohitra ny hosoka tamin’ny fifidianana ary mitaona ny vahoakan’i Fianarantsoa hiaro ny safidiny. Fifanojoan-javatra ihany sa misy ifandraisany ny fanambaran’ireo kandida roa ireto ? Ny resaka efa mandeha hatry ny omaly dia haterin’ireo mpomba azy ao amin’ny Lapan’ny tanànan’i Fianarantsoa, hapetraka ho Ben’ny tanàna Razanamahasoa Christine raha ampandresena ambony latabatra ny kandidan’ny HVM, satria amin’izy ireo dia Razanamahasoa Christine no Ben’ny tanàna.
Ra-Bri
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.