Hifarana anio ny atrikasa fampiofanana niarahan`ny sampandraharahan`ny Firenena Mikambana momba ny fampandrosoana (PNUD) sy ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (PNUD) mahakasika ny fanangonam-baovao amin`ny famolavolana ny voka-pifidianana. Atoa
Moussa Natal Batraki, mpanolotsaina momba ny fitantanan-draharaha eo anivon `ny PNUD sy Atoa Jean Victor Rasolonjatovo, sekretera mpanatanteraka ao amin'ny CENI, no nitarika ny lanonana fanombohana ny fampiofanana ny atrikasa fampiofanana ho an'ny fanangonam-baovao amin'ny famolavolana ny sarintany amin'ny fifidianana. Ny sarintany rahateo no hanondro ny toerana misy ny biraom-pifidianana, ny fitaovam-pifidianana ao amin'ny CENI, ny fizarazarana sy ny fitrandrahana, ary ny filaminana momba ny fizotry ny fifidianana. Zava-dehibe tokoa ho an`ireo kandidà sy ireo mpanara-maso no manana fanazavana marina momba ny toerana misy ireo biraom-pifidianana. Aorian'ity atrikasa ity, ny tetikasa fanangonana tahirin-kevitra dia tokony hatao any amin'ireo distrika rehetra ao amin'ny faritra Analamanga. Ny tanjona dia ny fanatanterahana ireo fepetra isan-karazany amin'ny fomba fanangonana, fitehirizana sy fanaraha-maso ireo angom-baovao mandra-pahitan'izy ireo azy. Naharitra telo andro ny atrikasa fampiofanana mahakasika ny fanangonam-baovao amin`ny famolavolana ny voka-pifidianana teny amin'ny CENI Nanisana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.