Hifantoka manokana eo amin`ny fomba hanentanana an`ireo olom-pirenena handray anjara mavitrika amin`ny fifidianana ny fampiofanana ataon`ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI), izay vatsian`ireo mpiara-miombon`antoka amin`i Madagasikara vola. Hifantoka amin`ny fampahafantarana an`ireo andininy mamaritra ireo fepetra hifehy ny fifidianana hatao eto amintsika ny andro farany amin`ity fampiofanana ity.
Nambaran`ny Filohan`ny CENI, Hery Rakotomanana, nandritra ny lanonam-panokafana ny atrikasa fanofanana ho an’ireo mpanabe sy mpanentana ara-pifidianana manerana ireo distrika 119, fa zava-dehibe loatra eo amin’ny fampivoarana sy ny fitantanana ny zotram- pifidianana, fanaikana sy ny fitaizana ny mpifidy, indrindra manodidina ny fisoratana ao anatin’ny lisi-pifidianana, sy ny fandehanana mandatsa-bato.Tanjona ny hahafahan`ireo mpisehatra eo amin`ny fifidianana hitondra ny fitarainana na fitoriana momba izay mety ho lesoka amin`ny fanatanterahana ny fifidianana eo anivon`ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana. Notsindriny rahateo fa nahitana fitomboana ny taham-pisoratan’ny vehivavy sy ny tanora ao anatin’ny lisim-pifidianana amin’izao fotoana izao. Noho izany, tsy ilaina intsony ny mandresy lahatra ny maha zava- dehibe ity atrikasa ity mba hananatsika olona hanana trai-kefa eo amin’ny fanaikana sy fitaizana ny mpifidy mba hanentana azy ireo handray ny adidiny eto amin’ny btany sy ny firenena. Nanomboka omaly tetsy amin`ny “Motel”, izay tsy hifarana raha tsy amin`ny alakamisy ho avy izao, ny fanofanana an`ireo mpiasan`ny CENI eo anivon`ireo rantsa-mangaikany sy ireo mpikambana eo anivon`ny fiarahamonim-pirenena, manerana ireo faritany enina sy ireo 119 distrika eto Madagasikara.
|
· Toamasina : 17, 18 ary 19 jolay 2018 · Toliara: 24, 25 ary 26 jolay 2018 · Fianarantsoa : 31 jolay hatramin`ny 2 aogositra 2018 · Antsiranana : 7, 8 ary 9 aogositra 2018 · Mahajanga: 21, 22 ary 23 aogositra 2018
|
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.