Politique

CENI Madagascar Hiroso amin`ny fanapariahana ny lalàna fehizoro vaovao


  • Talata 10 Jolay 2018

Tsy mihemotra intsony ny fifidianana ary efa miroso amin`ny fikarakarana ny fanatanterahana azy ny eo anivon`ny governemanta sy ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI).

 

 Tsy maintsy hatrehina ny fifidianana ary manaraka ny “chronogramme”, hoy ny CENI. Hiroso amin`ny fanapariahana ny lalàna ny eo anivon`ny CENI sy ny PNUD, izay mpiara-miombona antoka amin`ny tetikasa SACEM, ka miantso ireo olona voakasika mivantana amin`ny fifidianana hanatrika fivoriana entina hanazavana ny mahakasika ny filatsahan-kofidiana filoham-pirenena sy ny fampielezan-kevitra ny alakamisy ho avy izao. Tsy maintsy miainga amin`ny didy aman-dalàna ny rehetra ka hampahafantarina amin`ireo mpandray anjara ny fitsipi-dalao amin`ny fifidianana. Marihina fa karazana olona telo no hanaovana ny fanapariahana ny lalàna. Voalohany, ny vahoaka izay hampahafantarina ny lalàna mifehy ny fifidianana. Faharoa, ireo olona voakasika mivantana toy ny mpanao politika, antoko politika, mpanao gazety, fiarahamonim-pirenena… Farany, ireo mpitsara na sefom-pokontany na koa mpanara-maso biraom-pifidianana… izay voasokajy ao anatin`ny SRMD. Ao anatin`ny fanatanterahana ny asa izay miompana amin`ny fampahafantarana ny lalàna fehizoro vaovao laharana faha-2018-009 tamin`ny 11 mey 2018 momba ny fifidianana filohan`ny Repoblika ny CENI. Anio dia hisy fampiofanana ho an`ireo mpanentana izay hisahana ny fampahafantarana ny lalàna fehizoro sy fanapariahana izany manerana ny 119 distrika eto Madagasikara.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT