Politique

Brunel Razafitsiandraofa « Nanatanteraka ny didin’ny HCC izahay »


  • Alarobia 27 Jona 2018

Taorian’ny fanazavan’ny depioten’ny boriborintany faha V, Naivo Raholdina,

mikasika ny antony nitsaharan’ny depioten’ny vondrona politika Mapar tsy hanohy ny tolon’ny fiovana etsy amin’ny Kianjan’ny 13 mey Analakely intsony dia nitondra ny fanazavany mikasika izay ihany koa ny depioten’Ikongo izay lasa minisitry ny fizahantany, Brunel Razafitsiandraofa. Nohamafisiny fa fanatanterahana ny didy tsy azo ivalozana izay navoakan’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC no anton’ny fanapahan-kevitry ny vondrona Miaraka amin’i Prezida Andry Rajoelina tsy ho eny an-kianja intsony. Heveriko fa mba hipetrahan’ny resaka ara-dalàna sy ho tombontsoam-pirenena no antony nandraisana ny fanapahan-kevitra. Tsara apetraka fa tsy nandeha irery ny tolona fa nirazotra niaraka tamin’izay ny didy mametraka ny amin’ny tokony hanaovana fifidianana mialoha ny fotoana. Mino aho fa ilain’ny rehetra izany, hoy izy.

J. Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT