Mitady ho hafahafa ny fandehan’ny raharaham-pifidianana amin’ny 31 jolay, mandeha mantsy izao ny resaka fa misy ny fomba fangalaram-bato ho atao mandritra io fifidianana kaominaly io ka bileta tokana efa voamarika mialoha no ho zaraina amin’ireo mpifidy
.Mazava ho azy fa sandaina vola io bileta tokana io, izany hoe omena mialoha bileta efa voamarika ho ana kandida iray ireo mpifidy , tambazana vola na mety ho rahonana na ampiesonana tsotra izao ka iny bileta iny no asaina arotsany rehefa mandeha mifidy izy.Mety ho fombafomba fotsiny sisa ny atao ao anatin’ny trano fisainana fa efa vonona any am-paosin’ireo mpifidy nahazo toromarika ny bileta tokana voamarika mialoha.Iaraha-mahalala fa maro ny Malagasy tsy mahay mamaky teny sy manoratra ka mora fitahana amin’ny paikady tahaka izany.
Efa natao tamin’ny tetezamita
Mazava be ny resaka eto fa tsy hahavita hanao izany ireo kandida tsotsotra, fa ny kandida matanjaka sy manana mpanohana matanjaka ary manampahefana ihany no afaka manao izany.Fomba ratsy efa natao tamin’ny nampandaniana ny lalampanorenana tamin’ny 2010 tahaka ny hita tany Moramanga io fampiasana bileta tokana efa voamarika mialoha io ; ankehitriny izany dia mety ho ampiharina indray amin’ny fifidianana ben’ny tanàna ilay izy.Manana andraikitra lehibe hanadihady lalina ny momba ity resaka ity ny ao amin’ny CENIT izay tompo-marika amin’ny fanamboarana ny bileta tokana, sao misy olona na antoko politika any ho any efa manana bileta tokana ka hampiasa izany mba hametsifetsena ny mpifidy sy hanaovana hala-bato goavana amin’ny 31 jolay.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.