Politique

Bekasy Mpanohana ara-bola ny HVM no namotsorana azy ?


  • Sabotsy 01 Aogositra 2015

Anarana nalaza tampoka ary mifamatotra amin’ny resaka kolikoly ny «Bekasy», taorian’ny nisamboran’ny Bianco sy nitazomana azy teny Ambohibao

 

. Notondroina ho atidohan’ny mpanao trafika andramena izy vao voasambotra sy tamin’ny nandefasana azy tany amin’ny fampanoavan’ny «Chaine pénale anti-corruption». Navotsotr’ity farany anefa izy fa hoe tsy ampy porofo. Hagagana ny an’ny rehetra taorian’izay. Nifanome tsiny aza ny Bianco sy ny «Chaine pénale» noho io. Nipoitra teny ihany anefa ny nafenina rehefa nandritra iny fifidianana Ben’ny tanàna iny. Tsy niafina mantsy fa dia napetraka teny amin’ny afisy propagadin’ny kandidan’ny HVM tao Sambava tampon-tanàna ny sariny sy ny anaran’i Bekasy. Toy izany koa ny sary sy ny anaran’ireo depioten’i Sambava roalahy dia i Vonjy Be sy Jack, samy voafidy tamin’ny lisitra tsy miankina Tranokasaka, izay i Bekasy no mitarika azy. Inona no nametrahana ny sarin’izy telo lahy ireo tamin’ny afisin’ny HVM, nefa tsy olona hofidiana mpanolotsain’ny tanàna akory, amin’izay indray ka manana kandida ny Tranokasaka fikambanan-dry zareo. Fanohanana ara-bola ny HVM avy hatrany no mby ao an-tsain’ny maro eo anatrehan’izany ? Izay ary ve no tambin’ny namotsorana azy teny amin’ny «Chaine pénale». Tantara mitohy !

Ra-Bri


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT