Politique

Basikety Malagasy Ho fararanon-dalao ny anio


  • Sabotsy 16 Jona 2018

Ho fararanon-dalao basikety baolina eto amintsika amin’ity faran’ny herinandro ity.

 

Ao aloha ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara dingana voalohany sokajy N1 A lahy sy vavy tontosaina any Mahajanga ankehitriny izay nifarana omaly zoma 15 jona ireo lalao fifanintsanana ka miditra eo amin’ny lalao 1/2-famaranana anio sabotsy ny fifaninanana :

13:00-Sbbc Boeny # Tamifa A/Mania (V) ;  14:45-Mb2All A/Manga # Ascut A/nanana (V)

16:30-Gnbc Vaknà # Cosmos Diana (L)   ;   18:30-Ascut A/nanana # Cosfa A/Manga (L)

Ao ny hanatanterahana ny dingana famaranan’ny fifaninanana basikety 3 x 3 “School Tournament” 2018  ka ahitana sokajin-taonana mpianatra miisa 4 : U 18 lahy (ekipa 9), U 18 vavy (ekipa 8),  U 15 zatovolahy (ekipa  12)  ary U 15  zatovovavy (ekipa 8) ho tontosaina etsy amin’ny Sekoly St Michel Amparibe manomboka amin’ny 8:30.

Ao koa farany ny fitohizan’ny fanamarihan’ny fikambanana At2b ny faha-10 taonany amin’ny alalan’ny hetsika basikety izay miditra amin’ny herinandro faha-5 amin’ity sabotsy 16 jona ity ka nilazan’ny tompon’andraikitra fa voatery nanampy kianja iray eny amin’ny Lycée Technique Ampasapito ry zareo noho ny fitomboan’ireo mpandray anjara, indrindra ny eo amin’ny sokajy senior, hanampiana ny kianja At2b eny Andraisoro. Lalao 6 avy no harahina eny amin’ireo kianja ireo anio sabotsy 16 sy rahampitso alahady 17 jona ary samy  hanomboka  amin’ny 8:15 maraina avokoa mandrapahariva ny andro.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT