Anisan’ny lalŕna tokony hojeren’ireo « assistant parlemantaire » nahazo fiofanana tamin’ny Eisa teny Ankorondrano ny 13 sy 14 aogositra teo,
hoy ny Sekretera Jeneralin’ny Antenimieram-pirenena, Atoa Befourouack William izay nisolotena ny filohan’ity andrim-panjakana ity tamin’ny lanonam-pamaranana ny fiofanana, ny mikasika ny resaka fandovàna eto amintsika fa manahirana ny fisitrahan’ny vehivavy andefimandry izany any amin’ny laharana aoriana be any, hoy izy, ary koa ny resaka fanambadiana izay efa tena antitra ny lalàna mikasika azy. 30 tamin’ireo « assitants parlementaires » 32 miara-miasa amin’ireo depiota andriambavilanitra 32 eny amin’ny Antenimieram-pirenena ireto nomena fiofanana mikasika ny lalàna mba hampitomboin’izy ireo ny ambaindain’ny fahaiza-manaony sy ny tena fiaraha-miasa matotra amin’ireo solombavambahoaka soloin’izy ireo tena any anivon’ny distrika misy azy ireo rehefa miatrika fivoriana aty Tsimbazaza.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.