Mazava ny fandresen’i Neny Lalao Ravalomanana teto Antananarivo renivohitra, midika ho faharesena goavana ho an’ny fitondram-panjakana io na dia nahazo ben’ny tanŕna maromaro tany amin’ny faritra hafa aza ny HVM
.Manana lanja politika manokana Antananarivo, manana sata manokana ihany koa ny kaominin’Antananarivo renivohitra.Noporofoin’ny TIM sy ireo mpiaradia amin’i Marc Ravalomanana ihany koa fa manana fototra politika mafy orina izy ireo ary na dia teo aza ny fahasahiranana niainan’ny antoko taorian’ireny raharaha 2009 ireny dia nahay niarin-doha sy niatrika ny raharaham-pirenena ny TIM.Tsy resaka am-bava na an-taratasy fotsiny ilay fitarihana na « leadership » firesak’i Marc Ravalomanana matetika fa tena nampiharina ary nahomby.Hiasa amin’izay izao, nanamafy ny ben’ny tanàna vaovao Lalao Ravalomanana omaly alina teny Faravohitra fa efa vonona ireo mpamatsy vola ary nilaza fa ho avy.Asa goavana no miandry ary tsy ho vita moramora izany fa tsy maintsy mila fifampifehezana.Tsy maintsy miasa miaraka amin’ny fitondrana raha te hanarina an’Antananarivo hoy i Neny, dia miandry ny rehetra.Ho hita eo ihany koa izay fepetra ho raisin’ny fitondrana HVM manoloana ny fahareseny teo Iarivo.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.