Nesorina tamin-dRavalomanan ny « Vehicule de sécurité »
Handeha hitondra fiara eny an-dalana toy ny mpitondra fiara tsotra manomboka izao ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana satria nesorina taminy nanomboka omaly takariva ny « Véhicule de sécurité » mpanaraka azy. Marihana fa manana zo manokana amin’ny maha-filoham-pirenena teo aloha azy Atoa Marc Ravalomanana ka mampanontany tena ny maro ihany ny tranga tahaka izao .Dia ahoana moa izany ny amin’ny fiarovana azy izay toky nomen’ny fitodram-panjakana ?
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.