Politique

Antsiranana Dada no «rôle»


  • Alakamisy 23 Jolay 2015

Rakotra olona rehefa mety ho arabe tao an-tampon-tanŕnan’Antsiranana omaly tamin’ny tapakandro hariva manontolo mandrak’alina nahatongavan’i Marc Ravalomanana tao an-toerana.

Io omaly io indray no fihaonana voalohany teo amin’ity filoha teo aloha ity sy ny vahoak’Antsiranana taorian’ireny raharaha nitazoman’ny fitondrana Rajaonarimampianina azy «résidence fixe» tao amin’ny BANA nandritra ny roa volana oktobra - desambra 2014. Naniry mafy ny hahita maso azy ny vahoak’Antsiranana, izay maro raha ny omaly ireo nijoro vavolombelona tamin’ny asa fampandrosoana vitan’i Marc Ravalomanana tao Antsiranana, indrindra amin’ny fanamboaran-dalana sy foto-drafitrasa maro toy ny toby fiantsonan’ny fiarakodia.

Toy ny mahery fo

Tafaray ny tia sy ny manina. Hatrany amin’ny seranam-piaramanidina Arrachart, hatrao amin’ny SCAMA, nandalo tany amin’ny Secren ary nipaka tao amin’ny Parkazy, rakotra olona tsy nisy azo nilihana ny arabe. Noraisina toy ny mahery fo i Marc Ravalomanana omaly tao Antsiranana. Betsaka mihitsy aza no nametra-panontaniana hoe : mbola nisy olona ve tany an-tokantrano tany nahita ny fibosesehan’ny vahoaka te handray tanana sy hiresaka tamin’i Dada. Re niverimberina teny am-bavan’ny olona ny hoe : «Iny Dadanay», «Avereno Dadanay». Maika ny hahita an’i Marc Ravalomanana handray an-tanana indray ny fampandrosoana an’i Madagasikara ny vahoakan’Antsiranana. Fanolorana kandidan’ny Tiako i Madagasikara amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna sy mpanolotsaina no anton-diany tany Antsiranana io omaly io. Nifanotrona tao avokoa ireo Ben’ny tanàna Tiako i Madagasikara avy amin’ireo Kaominina manodidina. Tany Nosy-Be sy Antsohihy izy ny tapak’andro maraina. Anio maraina i Marc Ravalomanana sy ny delegasiona niara-dia taminy no hitodi-doha eto an-drenivohitra, hamonjy fihaonana amina mpamatsy vola vahiny.


Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT