Mbola matanjaka hatreto ny Tim raha iny distrikan’Antsirabe faharoa iny. Raha ny vokatra mbola vonjimaika eo anivon’ny SRMV Antsirabe faharoa dia ny Tim no nandrombaka fandresena be indrindra satria toerana 8 amin’ny 20
niadivana no azon’izy ireo, anisan’izany ny ao Tsarahonenana, Ambohidranandriana, Ibity, Antsoatany, Belazao, Antanimandry, Mandrosohasina ary Soanindrariny. Kamoninina 5 kosa no azon’ny HVM aloha hatreto dia ny tao Ambano sy Ambatomena, Vianinkarena, Sahanivotry-Manandona ary Andranomanelatra. Ny 5 hafa dia ny FAIV na ny Fampandrosoana an’i Vakinankaratra izay fikambanana nahorin’ny Depiote Nirina no nahazo izany. 2 kosa no azon’ny tsy miankina dia I Manandona, sy I Mangarano azon’ny “Ny Mangarano”. Ankoatra ireo moa dia saika nitazona ny laharana faharoa hatrany ny antoko Tim ho an’ny distrikan’Antsirabe faharoa iny ary saika elanelam-bato kely ihany no naharesy amin’izany. Raha ny fanazavana nomen’Atoa Randrianavalomihaja Fidilalao, filohan’ny CED Andranomanelatra dia saika ny lisi-pifidianana izay nokarakarain’ny Cenit foibe no fototry ny olana nahatonga ireo olona maro tsy afaka nifidy sy voafafa tao anaty lisitra fa tsy ny avy teny anivon’ny fokontany akory no fototry ny olana. Betsaka kosa no nanao fitarainana ireo kandidà, indrindra fa ny avy teo anivon’ny antokon’ny fitondrana izay resy ka fantatra fa kaominina maromaro no nanaovan’izy ireo izany fanoherana voka-pifidianana izany. Satria moa vokatra tsy mbola ofisialy iny dia ahiana ihany koa ny hisian’ny fitsimbadihana aoriana ao.
Caius R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.