Nampiaka-peo momba ny tsy fahatomombanan’ny fifidianana ihany koa ny antoko MTS. Mampiahiahy anay ny fizotry ny fifidianana tany amin’ny faritra 3 dia Betsiboka, Atsinanana ary Androy, hoy Atoa José Michel mpandrindra
nasionalin’ny MTS. Tsy fantatra mazava ny isan’ny mpifidy tamin’ny toerana maro tamin’ireo faritra ireo, hoy izy ary nisy ihany koa ny fitanana an-tsoratra (PV) efa nofenoina mialoha.Nisy ny biraom-pifidianana hita nazava izao fa nandresy ny MTS hoy hatrany i José Michel, avy eo anefa nivadika tampoka ny vokatra noho ny antony tsy mazava dia lasa resy indray ny MTS. Nitory eny amin’ny fitsarana momba ireo zavatra mampiahiahy ireo ity antokon’ny minisitry ny asa vaventy Roland Ratsiraka ity saingy nanamafy kosa fa tsy hitarika ny olona hidina an-dalambe.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.