Politique

Antoko Malagasy sahy sy vonona Ny fifidianana ihany no vahaolana


  • Zoma 13 Jolay 2018

Ny firosoana amin’ny fifidianana ihany, hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina, filohan’ny antoko Malagasy Sahy sy Vonona no hany vahaolana eto amin’ny firenena.

 

 Tonga naka ny bulletin laharana fahatelo teny amin’ny tribonaly ity filohan’ny antoko  MSV ity ny alarobia teo amin’ny maha kandida filoham-pirenena azy ka nambarany fa olom-pirenena afaka mandray andraikitra tsara ny tenany sady manara-dalàna. Mbola naveriny ihany ary fa ny rafitra fokonolona no tsara hapetraka eto amintsika mba hahafahana mamaha ireo karazan’olana maro samihafa. Anisany ny ady tany….Tsy izahay irery no manana io fomba fijery io fa betsaka ireo efa niresaka izany hatramin’ny 21 Aprily no ho mankaty. Kandida miisa 13 hatreto no efa nifanatona tamin-dRafanomezantsoa Jean Nirina saingy nambarany fa raha toa ka hisy ny marimaritra iraisana dia tsy maintsy hatao an-tsoratra mba tsy hamitahana vahoaka intsony. Raha toa kosa ka tsy maintsy ny tenany no hilatsaka satria tsy hisy hahafehy ny dina sosialin’izy ireo dia efa vonona tanteraka ny izy ary tsy manana olana amin’ilay 50 tapitrisa Ar fandraisana anjara satria manana mpanohana betsaka. Nambarany fa ny foto-kevitra ny azy no hampiadiany fa tsy hividy olona amin’ny fizarana tee-shirt na kaskety izy ireo.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT