Politique

ANTOKO MAITSO Mankasitraka ny governemanta mijoro saingy ...


  • Zoma 22 Jona 2018

Naneho ny heviny mikasika ny fijoroan’ny governemanta vaovao ny filohan’ny antoko Maitso Atoa Georget Alexandre, omaly.

 

Nambarany  fa hankasitrahan’izy ireo tanteraka ny governemanta Ntsay Christian saingy misy ihany  ny indro kely. Nomarihany ny fandraisan’Atoa Rina  Andriamandavy VII ny minisiteran’ny serasera, olona izay efa nitora-bato ny birao mahaleotena iadiana amin’ny kolikoly nandritra ilay raharaha Claudine Razaimamonjy nalaza be teto amintsika farany iny. Toraka izany koa ny mbola nahatafiditra an’Atoa Maharante  Jean de Dieu ao anatin’ny governemantan’ny firaisam-pirenena nefa efa nolavin’ny mpiasan’ny minisiteran’ny asa sy ny lalàna sosialy sy ny minisiteran’ny paositra izay misy azy ankehitriny. Anisan’ny tsy mampilamina ny firenena ankehitriny ny fisian’ireo olona efa nolavin’ny vahoaka nefa mbola napetraka hitantana ihany. Raha izaho izy ireo mametra-pialana avy hatrany aho, hoy izy. Nomarihiny fa ny hahafahana miroso mankany amin’ny fifidianana avy hatrany no antony handeferan’ny antoko politika maro amin’io governemanta vaovao io. Mahatoky ny tenany fa hivoaka tsy ho ela ny datim-pifidianana andrasan’ny maro.

 

 

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT