Miaina ao anatin’ny fikorontanan-tsaina ny olon’ny HVM amin’izao fotoana, indrindra fa ireo mpikambana tsotra. Maro loatra ny kajikajy sy paipaika politika amin`ny handresena amin`ny fifidianana amin`ny fomba rehetra nataon`ny antoko.
Nanao bemarenina ny fitondrana tamin`ny fandrafetana ny lalàm-pifidianana izay natao amboletra. Be fikafika politika loatra ireo mpitantana saingy ireo mpikambana tsotra no manomboka miahiahy. Sesilany tokoa ny fanambarana fa tsy ho mpikambana ao anivon`ny antoko intsony tato ho ato. Tsy nihevitra ny lalàna ho an`ny rehetra ny fitondrana fa ny hamonjena ny fifidianana handresena amin`ny fomba rehetra. Mandeha amin`ny honahona tokoa ny antoko HVM amin`izao fialan`ny filohany, Rivo Rakotovao, izao ary ravarava an-toerana ho azy koa. Diso paika ny antoko HVM ary efa voalaza ombieny ombieny fa tsy manana fototra politika. ka izao vao mitsamboamboatra ny sasany ny amin`ny tokony hanajana ny lalàna.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.