Manomboka rendrika ny sambon’ny HVM, ary tsy afa-manoatra eo anatrehan’ny fialan’ny mpikambana anisan’ny andry niankinan’ny antoko, toa an’i Paul Rabary izay nilaza ny fisintahany omaly.
Raha ny fahitana azy, ho kandida filoha ary tsy izy irery no tao anaty fitondrana mety ho mpifaninana amin’ny HVM amin’ny fifidianana. Efa nilaza ny hirotsahany, ohatra, ny praiminisitra teo aloha Jean Ravelonarivo. Vao ny faran’ny herinandro teo ihany koa ny minisitry ny mponina teo aloha Onitiana Realy no nilaza fa misy nanipy hoditr’akondro ny filoha ka ny olona nanao iny lalàm-pifidianana iny, dia mety re siosio fa mety ho kandida. Iza moa izany io olona nolazainy io ? Raha halalinina, ny praiminisitra teo aloha Mahafaly Solonandrasana Olivier no minisitry ny atitany, izay nisehatra betsaka tamin’ny famolavolana ny lalàm-pifidianana. Toa tsy afa-manoatra firy amin’ireo olona efa nisintaka ny HVM satria na amin’izao mbola tsy fampielezan-kevitra izao na rehefa ao anatiny, dia manana bala hitifirana ny kandidan’ny antokony satria nahalala afera maro. Tsy azo hanaovana antsojay firy ireny, ary mety hamaky bantsilana ny afera samihafa, ka izay vao ho tena loza fa ho tapa-tenda tanteraka eo, hoy ny fomba fiteny. Toa tratry ny endrika fandrahonana an-kolaka ihany ny HVM, ka tsy ho afa-manoatra firy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.