Politique

Antoko Fanorolahy Tafavoaka ny firenena rehefa manankarena ny tantsaha


  • Zoma 27 Jolay 2018

Efa ela no vita ny fanorenana ifotony ho an’ny antoko Fanorolahy, niorina efa an-taonany maro teto amintsika.

Nandritra izay fotoana nanginan’izy ireo taona maro izay mantsy dia nidina ifotony nijery ireo maharary ny tantsaha manerana ny Nosy ny filoha nasionaliny Randrianary José ka anisan’ireny ny tany amin’ny Faritra Analanjirofo, Antanandrano Andringaringa Toamasina II izay tena mampidangana ny vidin’ny legioma tokoa. Vidina 500 Ar ny voatabia iray any amin’ireo toerana voalaza ireo antony nahatonga ny antoko nampivondrona  ireo  tantsaha tao anatin’ilay koperativan’ny tantsaha Fanorolahy sady nampianatra azy ireo. Nangataka fanampiana tamin’ny orinasa Guanomad ry zareo taorian’izay hijeren’ny teknisiana ny tanin’izy ireo niampy fanolorana zezika  maimaimpoana. Nangataka tolo-tanana tamin’ny kaonsilin’i Portugal Atoa Rabesahala  Frederic miasa sy monina eto amintsika indray ny antoko taorian’izay nahafahana namatsy masomboly ireo tantsaha mpamokatra an’aliny maro. Anisan’izany ny masomboly voatabia, ny ovy, ny katsaka. Nanatanteraka santa-bokatra avokoa ny ankamaroan’izy ireo ny 18 jolay lasa teo ka samy tonga saina fa rehefa ny tantsaha no manankarena dia tafavoaka ny firenena. Miitatra eny  Ambohidratrimo, Faritra Analamanga ity tetikasa tanterahin’ny antoko ity ankehitriny. Ho an’ity distrika iray ity indray dia ireo olona tena sahirana ara-pivelomana mihitsy no mahazo tombony. Nangatahin’ny antoko tamin’ny tompony ireo taniny mipetra-potsiny mba hanaovana voly avotra ka ny tombony ho azy ireo dia ny fiakaran’ny vokany hatrany amin’ny dimy avo heny aorian’ny voly avotra hataon’ireo fianakaviana sahirana ara-pivelomana eny an-toerana. Nanambara moa ny filoha nasionalin’ny antoko Fanorolahy fa tsy mbola manana kandida izy ireo hatreto fa miandry ny fanapahan-kevitr’ireo tantsaha mpamokatra 80 % manerana ny Nosy.

Pati


 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT