Nivoitra nandritra ny fihaonan’ny mpikambana antoko Avana tao amin'ny kaominina Ampasikely fa mitaky ny famerenana ny fanisam-bato tamin'ny fifidianana 2013 izy ireo.
Nasim-panavaozana ihany koa ny fitantanana ny antoko eny ifotony. Manoloana ny fivoahan’ny datim-pifidianana dia nanambara ny antoko fa efa vonona hiatrika ireo ambaratongam-pifidianana samy hafa. Tsy maintsy mbola hifampidinika amin'ny ARMADA anefa aloha izy ireo. Nomarihan’ny filoham-boninahitry ny antoko Avana ny dokotera Jean Louis Robinson fa efa tapitra ny fotoam-piasan’ny filoham-pirenena ka rariny raha hirosoana ny fifidianana. Tokony ho efa niomana tamin'izay hoy izy ny mpanao politika. Nitondrany fanazavana ny mahakasika ny fifidianana tamin'ny 2013 izay nohamafisiny fa ny antoko Avana no nandrotsaka azy fa fanohanana fotsiny ihany no nataon’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana izay nitondrany fisaorana an'itsy farany.
Niry A
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.