Mandray anjara mavitrika amin’ny fifidianana kaominaly ny antoko AREMA ary mihevitra ny hamerina ny politikam-pampandrosoan’i Amiraly
no tena tanjon’izy ireo ho an’Antananarivo amin’ny alalan’ny kandida Raniriharinosy Harimanana izay nampahafantariny omaly teny amin’ny kianjan’Andohalo. Vonona ny lehilahy raha araka ny lahateny nataony. Tsy hatoro voanjo iadiana amin’ny asa fampandrosoana rahateo ny tenany noho izy efa hita tamin’ny sehatra maro . Nisy nandritra izany ny fanazavana hentitra nataony hahafahana mampandrosoa an’Antananarivo no sady niantsoany ireto farany ihany koa mba handatsa-bato ho azy. Carnaval nianga teny amin’ny kianjan’Andohalo niazo an’Andohatapenaka no nisantaran’izy ireo ny andro voalohany omaly.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.