Politique

Antenimierandoholona sy Primatiora Aleo foanana fa mandany vola, hoy i Paul Rabary


  • Alatsinainy 30 Jolay 2018

Nampidera ny maha mpandinika fiarahamonina sy olon’ny serasera azy omaly nandritra ny fandaharana manokana hita fa efa voarindra tsara mialoha Atoa Paul Rabary, minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha. Henjana ny fanakianany ny fomba fitantanana ny firenena amin’ny ankapobeny na dia tsy nitifitra mivantana ny filoha Hery

 

Rajaonarimampianina aza izy saingy kosa nanontsana ireo olona akaiky azy toy ny filohan’ny antenimierandoholona Rivo Rakotovao. Tokony hofoanana ny antenimierandoholona fa mandany volam-panjakana fotsiny kanefa tsy hita izay tena asa mivaingana vitany, hoy i Paul Rabary. Andrim-panjakana tokony hofoanana ihany koa ny primatiora fa manalokaloka fotsiny ny asan’ny filoham-pirenena sady mandany vola, raha ny heviny. Ny filohan’ny repoblika no voafidim-bahoaka ka aleo izy hiatrika ny adidiny fa tsy hialokaloka ao ambadiky ny praiminisitra. Tokony hitsitsy fa tsy hanao fandanilaniam-poana ny fitondram-panjakana ka amidy avokoa ireo fiara 4X4 V8 an’ny minisitra ary tsy omena mpiambina manokana ihany koa izy ireo. Aza terena hanova fomba fisainana isaky ny mihetsika ny vahoaka, hoy izy fa ny mpitondra aloha no mila miova sy manova ny fomba fifandraisany amin’ny vahoaka. Tsy mbola nivoaka ofisialy tamin’ny vavany saingy mazava ho an’ny rehetra  ny resaka fa kandida filoham-pirenena i Paul Andrianirina Rabary, izay milaza fa hanao fanorenana ifotony ary manaiky ny datim-pifidianana amin’ity taona ity.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT