Efa mazava ankehitriny ny kajy politikan’ny HVM fa ny hahatafiditra ben’ny tanŕna sy mpanolotsain’ny tanŕna be indrindra
. Efa nametraka fanamby mihitsy moa ity antokon’ny fitondrana ity fa ben’ny tanàna 1000 no tanjony. Raha ny fanisana hatry ny omaly dia efa manakaiky io tanjona io ry zareo. Mbola adihevitra ny amin’ny hoe hala-bato na famadihana ny voka-pifidianana, ny fitsarana moa no manapaka farany momba iny fa raha eo amin’ny sehatra politika dia efa mibaribary izany izao fa hahazo ny maro an’isa eo anivon’ny Antenimierandoholona ny HVM satria ny ben’ny tanàna sy mpanolotsain’ny tanàna no hifidy ny loholona fa tsy ny vahoaka, araka ny lalàmpanorenana. Ankoatra izay anefa dia mbola manana zo hanendry olona ihany koa ny filoham-pirenena, ary mazava ho azy fa olona mitovy fomba fijery sy foto-kevitra aminy no hotendreny fa tsy olona hanohitra azy.
Mitady maro an’isa azo antoka
Tsy mbola fantatra aloha hatreto no mety ho isan’ny loholona, ny governemanta no mametra amin’ny alalan’ny didim-panjakana io isa io. Ankoatra ny fandinihana sy fandaniana lalàna dia anjara asan’ny Antenimierandoholona ihany koa ny manolo-kevitra ny fahefana mpanatanteraka eo amin’ny lafiny ara-toekarena sy sosialy ary ity andrim-panjakana ity no miahy mivantana ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana. Tsy marin-toerana nanomboka tamin’ny 2014 ka hatramin’izao ny fahefan’i Hery Rajaonarimampianina satria tsy manana maro an’isa mazava eny amin’ny antenimieram-pirenena ny antokony. Ary efa nandrodana azy sy ny praiminisitra mihitsy aza ireo depiote saingy ny HCC no namonjy azy. Efa vaky ny ady ary tsy mahatoky intsony ny eny Tsimbazaza ny filoham-pirenena sy ireo mpiara-dia aminy ka io miketrika ny hahazo ny maro an’isa tsy azo iadian-kevitra eny amin’ny Antenimierandoholona io. Maro ireo mihevitra fa mety horavan’ny filoha avy hatrany ny Antenimieram-pirenena vantany vao tafapetraka ny antenimieran-doholona.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.