Araka ny vaovao farany azo avy eny amin’ny Lapan’ny Antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza dia nahemotra amin’ny andro manaraka ao anatin’ity fivoriana ara-potoana voalohan’ny solombavambahoaka ity ihany ny fandaniana an’ilay tolo-dalŕna natolotry ny depiote mahakasika ny
fananganana ny rafitra CEI na Commission Electoral Indépendante hisahana ny fanatanterahana ny fifidianana samihafa eto amintsika. Raha ny fantatra dia nifanarahan’ireo solombavambahoaka tonga nivory tao anatin’ny fivoriana nitambarambe omaly fa mba hampisindana ny ahiahin’ny rehetra amin’ny mety hisy fanelingelenana ny fifidianana ho avy vokatry ny tolo-dalàna natolotr’ireo vondrona politika isan-tokony toy ny Vpm-Mmm … no tena anton’ny fanemorana. Raha ny marina anefa, araka ny nambaran’Atoa Andriamanantsoa Philibert Hervé izay sekretera jeneraly eo anivon’ny minisiteran’ny atitany, fa tsy hisy akony velively eo amin’ny fanatanterahana ny fifidianana hatao amin’ny 31 jolay ity tolo-dalàna mahakasika ny CEI ity fa efa voalazan’ny lalàna hatramin’ny volana desambra 2014 fa ny CENIT hatrany no hikarakara ny fifidianana kaominaly tahaka ny efa niantsorohany an’ireo fifidianana vita teo aloha.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.