Tsy andrenesam-peo mihitsy ny eo anivon`ny Antenimieram-pirenena amin`izao fivoriana ara-potoana izao.
Angamba kosa manomankomana hiala sasatra kely sahady ireo depiote satria hiditra amin`ny fankalazana ny fetin`ny 26 jona any amin`izay misy azy ireo depiote. Hisesy indray ireo taratasy fialan-tsinin’ireo solombavambahoaka sasany, izay tsy hiverina ara-potoana hamonjy ny fotoam-pamaranana noho ny halaviran’ny lalana taorian’ny famonjena ny fetim-pirenena. Ny solombavambahoaka tokoa mantsy dia toy ny Raiamandreny ka ny velon-dray, mihanta; ny velon-dreny, miangoty; ka tsy maintsy nitodi-doha kely, nitsoriaka namonjy ny distrikany avy izy ireo, indrindra amin’ny vanim-potoana toy ireny. Marihana fa ny 03 jolay ho avy izao no mifarana izato fivoriana ara-potoana voalohany. Ny zava-misy aloha dia mifanohitra amin`izany no misy eny Tsimbazaza satria toa mikatso ny ankamaroan`ny fampandehanan-draharaha eny anivon`ny asam-panjakana. Nahemotra indray ny fandinihana ny fanitsiana ny tetibolam-panjakana, taona 2018 (LFR 2018). Mila vola tokoa ny asam-panjakana saingy nanamafy ireo depiote sasany fa tsy avela hoviravirain`ny mpitondra mpanao kolikoly no antony nanemorana ny fandinihana izany. Miteraka voka-dratsy ny tsy fahavitan’ny fandaniana ny “Loi de finances rectificatives” teny amin’ny Antenimieram-pirenena. Marihina mantsy fa tokony ho nandalo teny amin’ity andrim-panjakana ity izany tamin’ny herinandro lasa teo, saingy nahemotra ho amin’ny andro manaraka indray ny fandaniana ny LFR. Etsy an-daniny, manampy trotraka ny fatiantoka koa ny fihenan-danjan’ny sandan’ny Ariary mihoatra amin’ny dolara ankehitriny. Maro ireo asa tokony ho natrehin`ireo solombavambahoaka toy ny fandinihana sy fanapahan-kevitra momba ireo volavolan-dalàna sy tolo-dalàna isan-tokony. Marihana fa volavolan-dalàna miisa 07 no nolaniana teny Tsimbazaza nandritra ny roa andro ary efa nalefa eny amin’ny Antenimierandoholona mba hodinihiny sy hankatoaviny. Iankinan-java-dehibe maro eo amin’ny fiainam-pirenena sy ny fiainam-bahoaka andavanandro ireny fehezan-dalàna isan-tsokajiny ireny. Ny fahavitrihan`ireo Solombavambahoaka amin’ny fanolorana tolo-dalàna anefa dia mampiseho, ary vavolombelon’ny fandraisana andraikitra mivantana amin’ny ezaka ho fanatsarana ny fiainam-bahoaka izany.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.