Nifampizara ny sombitsombim-bato ireo kandida 7 hafa tamin’ny fifidianana ben’ny tanŕna teo an-drenivohitra satria lasan’i Lalao Ravalomanana (57%) sy Lalatiana Rakotondrazafy (30%) ny 87% n’ny vato manankery
.Vao miha ratsy noho ny vato azon’ny tamin’ny 2007 ny an’i Hery Rafalimanana , tsy nisy afa-tsy 3,7%, tao amin’ny laharana fahatelo kosa i Harilala Ramanantsoa (3,3%).Nahazo 1,7% i Véronique Rajerison,1,3% i Andry Ranaivo ary zara raha ny1,1%n’ny vato manankery no azon’i Lalatiana Ravololomanana raha toa ka 0,8% ny an’i Hasina Rakotoaritsifa.Mazava ny tarehimarika eto fa hahazo ny maro an’isa tsy azo hozongozonona eo amin’ny isan’ny mpanolotsaina i Lalao Ravalomanana.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.