Politique

Antananarivo Raikitra ny barazy


  • Zoma 15 Jona 2018

Miha mahery vaika ny hetsi-panoherana eo anatrehan’ny mbola namerenana ireo minisitra HVM ao anaty governemanta. Nanao diabe nihazo ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika tetsy Tsimbazaza ny mpianatry ny oniversiten’Ankatso omaly maraina noho ny tsy fankasitrahana an-dRtoa Rasoazananera Marie Monique.

 

  • Raikitra ny fametrahana barazy tamin’ny alalan’ny dapam-dabam-pako sy vato ary kodiarana nibahana ny arabe mihazo an’Ankatso.
  • Voaelingelina ny fifamoivoizana teny Ambanidia hatreny Miandrarivo noho ny fandorana kodiarana, ka niditra an-tsehatra nandamina sady nandrava ireo barazy ny mpitandro filaminana.
  • Mpanao fihetsiketsehana 11 no voalaza fa voasambotra.

Nanohy ny lalany hatreny Tsimbazaza ireo mpanao fihetsiketsehana ireo, izay nitsimbadika nihazo an’i Soanierana sy Andrefanambohijanahary ary Anosy ny lalany, izay niteraka fanembantsembanana sy fitohanan’ny fifamoivoizana omaly tolakandro.

Ny mpanao gazety ihany koa dia nifamory teny amin’ny Bon Acceuil teny Ambatonakanga, ka nivoitra  fa hisy ny fanangonan-tsonia harahin’ny fanaterana anaran’olona ho minisitra hasolo an’i Riana Andriamandavy. Voatonona ao anatin’izany i Joel Ralavaohita, Johary Ravoajanahary, Zo Rakotoseheno.  Hatolotra ny praiminisitra Ntsay Christian ny anarana.

Ny sendika ihany koa etsy an-daniny, hanao izay faraheriny amin’ny tolona satria nisy ny efa nandefitra 2 na 3 taona tsy nisy mpihaino, ary natao fahirano mihitsy aza, toy ny mpiasan’ny Air Madagascar. Noroahina tamin’ny asany noho ny fitakiana sendikaly notarihiny ry Rado Rabarilala, ary na efa nandresy tany amin’ny Filankevi-panjankana, ka tokony haverina amin’ny asany aza tsy noraharahaina. Raha tsy tafavoaka amin’izao ny tolona sendikaly maro, dia ho maty momoka indray.

Karazan’ny tsy hahita mangirana ireo minisitra HVM fa ho sesilany ny famongorana azy ireo. Miroso mankany amin’ny krizy lalina isika satria tsy tafapetraka ny fitoniana, ary vao mainka nampihombo ny hatezeram-bahoaka ny firafitr’ity governemanta ambaran’ny depiote Hanitra Razafimanantsoa hoe “governemanta manorisory” ity.


Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT