Ny tsy fisian’ny fitoniana ara-politika no mampahantra ny firenena raha araka ny fanazavan’ i Dada Ravalomanana nandritra ny fandalovany teny amin’ny kaominin’Ankadikely ny sabotsy lasa teo
. Izany no nidiran’ny Tiako i Madagasikara an-tsehatra amin’ny fifidianana ben’ny tanàna izay kitro ifaharan’ny fanarenana ny toe-karen’i Madagasikara hoy hatrany ny filoha nasionalin’ny antoko Tim ka anisan’izany Atoa Randriamanganoro Georges izay milatsaka ao amin’ny kaominina Ankadikely. Tonga nanotrona ity kandidan’ny Tim ity i Dada Ravalomanana ary nampatsiahy fa ny fifanampiana sy ny fifanohanana ary ny fifampitokisana sy ny fanantenana no tokony ho fanoitra ananan’ny kandida Tim izay tena tokony hanana fahasahiana tokoa.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.