Politique

Ankaboka – Marovoay Hala-bato ankitsirano ?


  • Zoma 07 Aogositra 2015

Iray amin’ireo Kaominina vaovao 149 i Ankaboka ao amin’ny Distrikan’i Marovoay. Sambany ny vahoaka tany no niatrika fifidianana

 

, ka ny fifidianana Ben’ny tanàna sy mpanolotsaina no nisantatra izany tamin’ny 31 jolay 2015. Diso fanantenana anefa izy ireo noho ny tsindry sy hosoka nanjaka nandritra ny andron’ny fifidianana. Nisy, raha ny fitaraina re, biraom-pifidianana nivoha nialoha ny fotoana niaraka tamina vata fandatsaham-bato efa nisy bileta. Tsy nomena taratasy firaketana ny delegen’ny kandida. Tany amin’ny Kaominina Ankazomborona, Distrikan’i Marovoay indray dia fitsimbadihan’ny vokatra no itarain’ny mpifidy. Nitarika tamin’ny isam-bato1609 ny TIM nanoloana ny lisitra HVM nanana 1300, nanjary 2185 indray ny an’ny HVM ary nijanona ho 1609 ny an’ny TIM teny ampanidinana teny. Nahitsy ny tenin’ny mpifidy sendra anay fa dia hala-bato ankitsirano no nanjaka tany.

Ra-Bri

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT