Tsy manana eritreritra ny haka ny toeran’ny filohan’ny Antenimieran-doholona aho hoy atoa Andry Nirina Rajoelina filohan’ny antoko Mapar
raha nanao fanambarana tamin’ny mpanao gazety ny tenany omaly teny Ambatobe. « Amin’ny tany demokratika dia zon’ny antoko lehibe toy ny anay ny mandray anjara amin’ny fifidianana saingy manao antso avo kosa izahay ny mba hanaovana fifidianana madio sy mangarahara satria maro ihany ireo lesoka heno tetsy sy teroa hoy hatrany ity filohan’ny tetezamita teo aloha ity. Ankoatry ny fitsapan-kery amin’ny fifidianana dia mampanontany tena izany ny tena tian’i Andry Rajoelina hatao.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.