Politique

Andry Rajoelina Raikitra ny propagandy any Mahajanga


  • Sabotsy 23 Jona 2018

Nigadona tao Mahajanga omaly 22 jona hanatanteraka ny fikasany tsy tontosa ny 30 martsa lasa teo i Andry Rajoelina satria nosakanana teny Ivato tsy navela nandeha ny fiaramanidina manokana saika hitondra azy sy ny sidin’ny Air Madagascar .

Nitokana ny fotodrafitrasa vitan’ny kaominina tarihin’ny Ben’ny tanàna Mokhtar Salim Andriantomanga, izay lany tamin’ny MAPAR moa no anton-dia any, ka notsenaina teny amin’ny seranam-piaramanidina tamin’ny alalan’ny diabe nihazo ny tampon-tanàna. .  Nahavariana ny zava-nisy androany satria endrika isehoan’ny tena ny fitiavana satria ianareo ny tena namana, hoy Rajoelina. Hisy ny fampahafantarana ny vina IEM (Initiative  Emergence Madagascar) ho an’ny anio, hampilendalendaina ny vahoakan’i Mahajanga. Malalaka izany izao izy noho ny fisian’ny tolona teny amin’ny kianjan’ny 13 mey, ka nampihena ny fahefan’ny HVM sy ny hetraketraka azony atao. Efa tsara toerana ao anaty governemanta miaraka amin’ny HVM, ka na fanajana sy fisaorana mariky ny fahalalam-pomba bitika indrindra aza tsy nataony ny mpitolona kanefa dia niady ho an’ny fahafahan-dRajoelina tahaka izao ny vahoakan’ny 13 mey. Mbola azo atokisana sy heverina fa hanome hasina ny vahoaka ve izany ?  Matoa misy ny fitakiana dia nisy zavatra naharary tsy zakan’ny vahoaka, nangirifiry ny besinimaro, ka tao anatin’izany ny tsy fanajana lalàmpanorenana, kolikoly,… Rehefa nivoaka ny didy navoakan’ny HCC dia tsapako fa tsy nifanaraka tamin’izay nieritreretintsika izany, kanefa tsy azo ihodivirana sy tsy azo hivalozana, hoy Rajoelina. Tsikaritra ho kazarana famendrofendroana sy famadian-dresaka no nambarany, ka lazainy ho mitarika amin’ny  lalana tsy izy ny hafa, ka aleo amin’ny alalan’ny fifidianana no hanalantsika ny fanjakana, hoy izy. Tsaroana tsara anefa ny antsoantson-dry Christine Razanamahasoa hoe: “Miala Rajao, izao dia izao” fa tsy toy ity nambaran-dRajoelina ity.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT