Mitohy ny fampivondronan-kery mitaky fanorenana ifotony sy fampihavanam-pirenena. Tonga hatramin’ny hoe fidinanana an-dalambe aza.
Ny hita aloha dia ny HVM sy ny MAPAR no misisika hanao fifidianana amin’ny novambra izao. Misy rahateo ny fampitoviana tadin-dokanga eo amin’ny roa tonta, ary eo ihany koa ny mety ho fianteherana amin’ny rafitra isan-karazany miantsoroka ny fifidianana, izay mbola miteraka adihevitra be, ankoatra ny lalàna. Antony iray mahadodona io satria mbola maro ny mihevitra, fa hanana tombony kokoa eo amin’ny fampiasana fahefam-panjakana ny MAPAR sy ny HVM. Fa ny tena antony goavana raha ho an-dRajoelina, dia amin’izao fotoana no mety ho ambony kokoa ny taham-panohanan’ny mpanara-dia azy na ilay antsoina hoe “cote de popularité” satria misy ny liana amin’izay mety hambarany, rehefa tsy hita popoka tao anatin’ny taona maro, ka dia mipoitra tampoka. Rehefa mandeha ny ora sy ny fotoana, dia midina io ka may ny endim-boanjony amin’izao ary miahiahy fatratra ho tratran’izay. Ho lany manja, araka ny fitenin’ny tanora Rajoelina raha mihemotra ny fifidianana na miditra amin’ilay tetezamita 2 taona. Ny tsikaritra ihany koa, dia miezaka mitady vato amin’ny sisin-tany avaratra atsinanan’ny Nosy satria be mpifidy rahateo any Mahajanga, Toamasina, Antsiranana,… ary misy otrikarena maro ihany koa mitaha amin’ny ilany atsimo. Raha vao misy olobe avy amin’ireny anefa, dia ho taraiky eo ihany koa. Ho an’ny afovoan-tany kosa, sarotra ho azy ny hahazo fandresena. Ny hevitra eto dia ny manaparitaka vato, ka tsikaritra sahady ny fisian’ny kandida mamofompofona Rajoelina na Rajaonarimampianina, izay hizarazara vato. Anisan’ny hikendrana an’io ny eto Analamanga, Vakinankaratra .
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.