Tsikaritra ho miady irery ihany i Andry Rajoelina. Ireo minisitra sahirana ao anaty governemanta, tratran’ny tsindry samihafa ihany koa, ka tsy maintsy miasa sy mila mitandro ny firaisankinan’ny governemanta, tsy afaka firy manampy azy.
Miezaka mamboamboatra ny toerany sy ny ho avy politikany ihany koa. Na ireo minisitra na ireo ety ivelany, dia maro ihany koa no tsy dia manantena firy an-dRajoelina hijery sy hitsinjo azy ireo satria nahazo lesona tao anatin’ny 4 taona namelan-dRajoelina azy ireo ho toy ny kamboty, nataon’ny HVM fahirano. Nenjehina ny Kolonely Lylison, ary nisitri-belona tao anatin’ny 2 taona, fa toa tsy nisy na lahateny iray minitra aza nataony momba ny tsy rariny natao ity olona nanampy betsaka azy tamin’ny 2009 ity. Raha nandray fitenenana teny an-kianjan’ny 13 mey i Kolonely Lylison ny 5 jona dia anisan’ny nisaorany betsaka ny solombavambahoaka Hanitra Razafimanantsoa sy ireo nitarika ny tolona, fa tsy dia nisy teny mikasika an-dRajoelina. Raha dinihina dia toa natao fitaovana tany amin’ny faritra Sofia mba hahazoan-dRajoelina olona tamin’ny fitetezam-paritra nataony ny Kolonely Lylison, izay nisafidy ny nangina amin’izao. I Alain Ramaroson moa dia adino any am-ponja. Toa efa tsy ho tena naman-dRajoelina ireo ekipany fahiny, ary ny olona mpomba sy mpanohana ny Mapar aza fanina amin’ity IEM ity, fa ny famalifaliana amin’ny alalan’ny artista sy ny mety ho fizaran-javatra na koa zavatra tsotsotra, toy ny vary mora hanambakana azy no mahamaika ny olona satria zara aza misy manolotra. Toa mitsapatsapa ihany i Andry Rajoelina, ka tsy mbola milaza ho kandida hatreto na dia miezaka mitety faritra aza.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.