Politique

Andry Rajoelina Manava-tena sy manao sain-jaza


  • Alarobia 27 Jona 2018

Samy tonga niatrika ny matso lehibe nanamarihana ny fetin’ny fahaleovantena sy ny fetin’ny foloalindahy tetsy Mahamasina avokoa ireo filoham-pirenena teo aloha, dia i Didier Ratsiraka sy i Marc Ravalomanana,

ary mazava ho azy fa teny an-toerana ny filoha am-perinasa Hery Rajaonarimampianina sy ny praiminisitra lehiben’ny governemanta. Tsy hita popoka kosa ny filohan’ny tetezamita teo aloha Andry Rajoelina. Hambom-po diso toerana sa finiavana te hanava-tena tsotr’izao ? Hatramin’izay nialany teo amin’ny fitondrana dia tsy mbola hita niserana nanome voninahitra ny lanonana teny Mahamasina velively i Andry Rajoelina. Hafa mihitsy anefa ny zava-misy amin’izao satria ao anatin’ny fiaraha-mitantana ny firenena, ary izy tenany izao no voalaza fa nanolotra ny praiminisitra Ntsay Christian. Laharana faharoa amin’ny isan’ny minisitra ao anaty governemanta ny MAPAR ary efa afa-po amin’ny zava-misy matoa nisintaka tamin’ny tolon’ny 13 mey. Tsy midika fa tia be na manohana an-dRajaonarimampianina i Marc Ravalomanana na i Didier Ratsiraka raha nanome voninahitra ny lanonan-dehibe teny Mahamasina, fa amin’ny maha fetin’ny Malagasy azy no antony. Mitohy ny tsy fahalalam-pomba taorian’ny nisintahan’ny MAPAR ankitsirano tamin’ny tolon’ny 13 mey rehefa nahazo seza tao anaty governemanta, ka ny zavatra bitika dia ny fisaorana ny vahoaka aza tsy nisy. Tonga daholo izany ny olon-dehibe fa i « Zandry kely » kosa tsy hita popoka. Andro iray tokony hampandeferana ny hambom-po politika ny fetim-pirenena indray omaly, saingy tsy vitan-dRajoelina. Miseho hatrany ny karazana tsy fahamatorana ara-politika na fanahin-jaza mihitsy angamba ho an-dRajoelina, ka izany ve no mendrika ho raiamandrenin’ny Malagasy ?


Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT