Politique

Andry Rajoelina Maka no fon’ny any anindran-tany


  • Alatsinainy 02 Jolay 2018

Mikofokofoka mafy mitety faritra i Andry Rajoelina amin’izao fotoana miezaka maka ny fon’ny olona any, nanomboka tany Mahajanga, Mampikony, Antsohihy ary tonga hatrany Mananara Avaratra sy Maroantsetra.

 Mampanantena zavatra maro, toy ny resaka tsy fandriampahalemana, raha toa ka resaka fampahafantarana ny vina IEM (Initiative pour l’Emergence de Madagascar) no anton’ny famoriam-bahoaka isan-karazany, saingy propangandy fotsiny no tena izy, rehefa dinihina. Tsy mbola nisy aloha ny fanambarana ofisialy fa ho kandida filoha i Andry Rajoelina, saingy azo adika fa miezaka mafy sy manomana ny firotsahana. Raha tsiahivina ny voka-pifidianana tany amin’ny taona 2013, dia zara raha nahazo 15,82% Hery Rajaonarimampianina tamin’ny fihodinana voalohany na dia notohanan’i Andry Rajoelina aza, ary

51, 54% tamin’ny fihodinana faharoa raha 48, 46% ny an’i Jean Louis Robinson nandritra ny fihodinana faharoa, kanefa tsy teto an-tanindrazana i Marc Ravalomanana izay nanohana an’i Jean Louis Robinson, ary tsy afa-nanao propagandy toa an-dRajoelina. Anisan’ny nanosi-bohontanana ny kandida notohanan-dRajoelina ny teto afovoan-tany amin’ny ankapobeny, ary na lany ben’ny tanàna teto Antananarivo aza i Andry Rajoelina ny 2007, saingy tsy nahovoka ny olona notohanany tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna farany, ka nahazoan’ny TIM  ny fandresena tamin’ny alalan’i Lalao Ravalomanana. Tsikaritry ny mpanara-baovao fa miasa mafy mba hafa ny fon’ny mpifidy any anindran-tany na ireo faritany hafa ankoatra an’Antananarivo sy Fianarantsoa i Andry Rajoelina.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT