Politique

Andry Rajoelina Hanambara ny maha kandida azy ny alarobia izao…


  • Alatsinainy 30 Jolay 2018

Hamory olona etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina ny filohan’ny tetezamita teo aloha Andry Rajoelina ny alarobia 1 aogositra ho avy izao.

 

Ambara ny hoe rehefa avy nihaino ny hirifirin’ny Malagasy sy rehefa nahita ny olana mianjady sy sedrainy sy nifanakalo hevitra taminy i Andry Rajoelina amin’izay fomba hampandrosoana an’i Madagasikara, dia tonga izao ny fotoana hihaonana aminy eto Antananarivo hanehoana ny firaisankina sy ny fitiavan-tanindrazana ary ny hambompom-pirenena. Rehefa avy nanao propagandy nialoha ny fotoana tany amin’ny faritany izany, dia tombanana avy hatrany hanao fanambarana amin’ny fomba ofisialy ny haha kandida azy. Milaza fa nihaino ny fahoriam-bahoaka, fa hoe mijaly, mila asa,… saingy ny sarety no toa lasa alohan’ny omby raha ny fahitana ny fihetsiny hatramin’izay ka hatramin’izao. Raha nanao ilay vahaolana ho an’i Madagasikara na ny IEM (Initiative pour Emergence de Madagascar) mantsy, dia nazava be fa zavatra niarahany namolavola tamin’ny vazahany tany fotsiny izany, tsy nisy fakana ny hevitry ny Malagasy. Nambara fa nampahafantarana izany ny fitetezam-paritra saingy tsy mahatakatra izany ny sain’ny ankamaroan’ny olona, fa ny fampisehoana ataona artista malaza no tena nahaliana azy. Nirarakopana ny hoe: ampio aho hahafahako manampy anareo. Hanampy e ! Hanome asa e ! Afaka nanao izany izy tao anatin’ny 4 taona tsy naha teo amin’ny fitondrana azy, saingy tsy nahalala akory ny fahoriam-bahoaka fa nigalabona sy nihinan-drery izay azo tany ampita. Ilaina izao ny vahoaka, dia mirarakopana ny fampanantenana e !

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT