Rehefa avy namitaka an’Antananarivo tamin’ny vary mora, menaka mora, coliseum, Lapan’ny tanàna, fony izy ben’ny tanàna i Andry Rajoelina, dia io indray fa hamitaka ny Malagasy manerana an’I Madagasikara amin’ny IEM. 10% raha be indrindra tamin’ny volabe 100 tapitrisa dolara sandan’ny fitrandrahana vy tany Soalala tamin’ny orinasa Wisco,
ny vidin’ny Air Force one 60 tapitrisa dolara, ny tahirim-bola vahiny manodidina ny 1,8 miliara dolara tao amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara, ny trafikana boaderozy,… ny sandan’ireny. Nankaiza izany ny 90% ambiny raha tsy nakepok’i Andry Rajoelina sy ny ekipany nandritra ny tetezamita ? Tokony nahavitan-javatra sy fampandrosoana lehibe izany volabe izany tahaka ny fanamboarana foibem-pamokarana herinaratra avy amin’ny rano mba hamahana ny olan’ny delestazy, saingy tapi-maso sy famalifaliana no natao tamin’ny vahoaka. Mbola famitaham-bahoaka ny nanosehana an-dRajaonarimampianina tamin’ny 2013, fa noboriboriana ny resaka aty aoriana hoe: mifona aminareo vahoaka aho nanolotra an’iny. Angaha izy ity kilalaon-jaza e ? Izao indray dia mampanantena abobo sahady amin’ity hoe IEM, ka mampanantena fa hatao firenena mandroso indrindra aty Afrika, hono, i Madagasikara. Ny fitondrana tetezamita no tena nampidi-kizo ny toekarem-pirenena ary nampidina ambany dia ambany ny fari-piainan’ny Malagasy. Io indray Rajoelina fa miezaka maka ny fon’ny olona, ka mitety faritra nanomboka tany Mahajanga, Mandritsara, Antsohihy,… ka hatrany Toamasina, Sonierana Ivongo, Maroantsetra, Mahanoro, Brickaville. Tany Maroantsetra aza dia mbola nilanjan’ny olona sora-baventy hoe: “Taiza ianao tamin’ny fitondranao, aiza ny volan’ny boaderozinay”. Nambara fa nanao ampihimamba i Marc Ravalomanana tamin’izany, ka dia naongana satria niroborobo ny orinasany. Fa mba inona no nataon-dRajoelina teto ? Ny orinasa nampiasa Malagasy an’aliny nodorana fa izy kosa tsy nahavita nanangana na dia orinasa iray monja ho an’ny Malagasy aza.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.