Ny tenako no nanasonia ny lisitra nisy ny anaran’i Ntsay Christian, hoy ny filohan’ny tetezamita Andry Nirina Rajoelina ary nifampiresahana tamin’ireo depiote Mapar izany,
raha naneho ny heviny momba ny raharaham-pirenena tamin’ny haino aman-jery izy omaly alahady.Niaiky izy hoe hita taratra amin’ny zava-misy fa mbola maro an’isa ao anaty governemanta ireo manga kravaty na ny HVM. Azo notsoahina avy amin’ny fanazavany fa nanao paikady hafahafa tamin’ny fanomezana ny anaran’ireo minisitra avy aminy ny fitondram-panjakana. Ny alatsinainy maraina tamin’ny 8 ora sy sasany na tamin’ny 9 ora ny fotoana nifanomezana tokony ho nahatongavan’ny lisitra tany amin’ny praiminisitra, dia tsy nahatonga ny azy mihitsy ny avy ao amin’ny fitondrana, hoy izy na dia efa tamin’ny 2 ora tolakandro aza ary dia lasa nankany Iavoloha ny praiminisitra Ntsay Christian nanontany ny antony satria amin’ny 3 ora tolakandro no tokony ho nambara tamin’ny fomba ofisialy ny fitsanganan’ny governemanta. Ny hariva mihitsy vao natao ary nanaitra ny fahitana anarana minisitra efa fantatra fa tsy ho eken’ny maro. Tsy mendrika ny Malagasy intsony ny korontana, hoy ny filohan’ny tetezamita teo aloha ka aleo samy mampandefitra ny hambompony, raha misy ny tsy fitiavana ny filoham-pirenena dia any amin’ny fifidianana no hanehoana izany ka avoahy ary ny datim-pifidianana dia ho hita mazava eo ireo kandida, hoy i Andry Rajoelina. Vonona amin’ny fifidianana ny Mapar, hoy izy fa kosa mila mazava tsara hoe fifidianana madio sy mangarahara ary tsy misy fanilikilihana kandida io. Ho an’ireo minisitra miteraka fahasosorana ho an’ny olona, indrindra fa ny mpitolona eny amin’ny kianjan’ny 13 mey tarihan’ireo depiote 73 dia tsy mbola tara raha mandray fanapahan-kevitra ka manolo azy ireo ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra, hoy izy. Aoka izay ny korontana, andao isika hifandamina dia miatrika fifidianana ary aoka mba samy hiezaka hampiseho sary tsara momba an’i Madagasikara eo imason’izao tontolo izao hatrany, raha ny filazany. Mazava ny resaka eto fa efa tena maika hiatrika ny fifidianana i Andry Rajoelina ka miezaka mafy manome toky ny rehetra fa hoe hilamina. Ny toky fitaka fa ny atao ihany no hita sy hitsara, hoy ny Malagasy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.