Nitondra fanazavana misimisy kokoa mikasika ilay boky nosoratany niaraka tamin’ny profesora Daron Acemoglu avy any Massachussetts «Why Nations Fail
: The Origins of Power, Prosperity and Poverty» na ireo antony tsy mampandroso ny firenena toy ny fiavian’ny fahefana, ny fahombiazana na ny fahantrana teny amin’ny hotely Colbert Antaninarenina omaly ny profesora James Robinson. Resy lahatra moa ireto mpanoratra mirahalahy ireto fa lalim-paka ao amin’ireo andrim-panjakana politika ireo fototra mampiroborobo manapotika ny firenena. Ny tsy fahaizana mitrandraka ireo harena eo anivon’ny fiaraha-monina no miteraka ny fijojon’ny harikarena toy ny mitranga ao anatin’ireo firenena afrikanina maro aty amin’ny Faritra atsimon’i Sahara, Azia sy Amerika Atsimo, araka ny fanazavan’ireto manam-pahaizana vahiny ireto. Heverina fa tsy kisendrasendra ny fanapahan-kevitry ny Tahirimbola Iraisam-pirenena miaraka amin’ny oniversiten’Antananarivo nanatanteraka ity famelabelaran-kevitra misy ifandraisany amin’ny zava-misy eto Madagasikara ity. Ny firenena Malagasy izay lazaina ho manan-karena eo amin’ny sehatra maha-olona sy ny lafiny ara-javaboahary saingy anisan’ny tena mahantra manerantany.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.