Nandresy mazava ny tamin’ny isam-bato 907 azony ny kandidà TIM Ravelomanana Victor tao amin’ny kaominin’Andilanatoby any amin’ny distrikan’Ambatondrazaka Alaotra Mangoro tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna farany teo
. Nilaozany alavidavitra ihany ny kandidà an’ny antoko Alaotra Miray hina nitana ny laharana faharoa izay nahazo vato 744 sy ny kandidàn’ny Hvm fahatelo nahazo vato 740. Ankehitriny anefa, hoy ny vaovao voaray, dia mitady hisy hanafoana fotsiny tsotra izao mialoha ny handefasana ireo PV ho any Toamasina any “Tribunal administratif” any an-toerana ny birao fandatsaham-bato iray tao Andilanatoby io izay nahazoan-dRavelomanana Victor vato mazava 211 raha tsy nisy afa-tsy tokana monja na 1 ny vato azon’ny kandidà Hvm tao.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.