Fantatra avy amin’ny tati-baovaon’ny tany an-toerana fa resy tao amin’ny tanŕnan’Ampasikely
Distrikan’Amparafaravola nirotsahany ho fidiana ho ben’ny tanàna ny Dr Jean Louis Robinson natolotry ny antoko Avana ka ny kandidà Raharimalala Saholinirina antsoina hoe Tanty Sa nirotsaka tamin’ny anaran’ny TIM no nandavo azy tamin’ny elanelam-bato 73 satria raha 533 no isam-bato azon’i Tanty Sa dia 460 no azon’ingahy dokotera ary 443 ny an’ny kandidà Hvm laharana fahatelo tao amin’ny ireo birao fandatsahambato 3 misy ao amin’ity toerana ity. Torak’izany koa, mbola nandresy ny kandidà TIM tao Ambatondrazaka tampon-tanàna, Rafidimanana Louis Félicité na i Fidèle hoan’ny maro arak’io vaovao voaray io ihany. 1558 no vato azony raha 1094 ny an’ny kandidà Dadafara avy amin’ny tsy miankina nanaraka azy.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.