Politique

Ambatoboeny Maty nisy nitifitra ny mpikatroka TIM iray


  • Sabotsy 07 Jolay 2018

Nisy nitifitra omaly hariva tokony ho tamin’ny 7 ora tao am-pivarotany ao amin’ny kaominina Manerinerina distrikan’Ambatoboeny ny Andriambavilanitra iray anisan’ny mpitarika ny ny antoko TIM any amin’ny distrikan’Ambatoboeny.

Mpitantana Bar ity vehivavy ity ary efa saika lasa nody avokoa, araka ny vaovao azo, tamin’io ora io ireo olona mpanampy azy isan’andro no nisy nitifitra indroa nisesy teo ambony seza nipetrahany nijery fahitalavitra izy ka ny bala iray iray nahazo ny tendany ary ny iray hafa nahazo ny lohany. Nentina namonjy tobim-pahasalamana haingana izy taorian’ny nahavoa azy nefa teny an-dalana dia tsy tana intsony ny ainy. Tsy mbola fantatra marina ny nahavanon-doza sy anton’izao namonoana azy izao fa efa mandeha kosa ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro ny filaminana any an-toerana.  

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT