Notanterahina ny alahady 28 jona teo ny fifidianana ireo sefo fokontany hanoloana ireo nesorina tamin’ny toerany iray volana lasa izay.
Fokontany miisa 4, ao an-tampon-tanànan’Ambanja dia ny Fokontanin’i Begavo I, Ankatafahely, Androhibe CNIA, ary Ambatomenavava no natao tamin’io raha miisa 15 izy ireo tao Ambanja. Mbola nofidian’ny vahoakany indray avy ireo sefo Fokontany nesorina iray volana lasa. Voafidy tamin’ny isam-bato mihoatra lavitra noho ny namany izy ireo na dia niampy aza ny kandidà. Tonga ary navitrika nifidy ireo vahoaka. Tsikaritra teto fa leo tsindritsindry ny olona.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.