Politique

Alakamisy Fenoarivo Nampianarina momba ny fitiavan-tanindrazana ny mponina


  • Alarobia 27 Jona 2018

Nampianarina momba ny fitiavan-tanindrazana ireo mponina eny Alakamisy Fenoarivo, distrikan'Antananarivo Atsimondrano. Tamin'ny alalan'ny lanonana lehibe notanterahina teny an-toerana omaly no nanatontosana izany.

Anisan'ireny ny fivetsoana ny hiram-pirenena izay nampianarina ny rehetra fa tokony hohajaina rehefa mandeha ka alana ny satroka ary miara-mihira ny rehetra sady mijanona. Toraka izany koa ny fiandrianam-pirenena izay maha firenena ny firenena iray. Amin'ny ankapobeny, hoy ny Ben'ny tanàna Rakotobe Jean Christian dia betsaka ireo olom-pirenena mila hahitsy. Fotoanan'ny  fifanitsiana sy ny fihavanana ny fetin'ny 26 jona. Nisy moa ny matso nandraisan'ireo mpianatra avy amin'ny sekoly maro eny an-toerana anjara omaly, nentina nanehoana ny fitiavan-tanindrazana. Ankoatra izay dia nisy ihany koa ny fitokanana ny tranompokonolona ao Alakamisy izay vokatry ny hetra nampidirin'ny kaominina sy ny famatsiam-bola avy amin'ny FDL. Efa tamin'ny taona 2013 no nanomboka ny asa fanamboarana fa ankehitriny vao vita tanteraka. Ho afaka handray ireo karazan-danonana maro samihafa ity tranompokonolona ao Alakamisy Fenoarivo ity manomboka izao.

 Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT